Ravao ny fahanginana, farano ny herisetra 💔Ny feo rehetra dia manan-danja amin'ny ady amin'ny herisetra ao an-tokantrano. Androany, miara-miombon'antoka isika mba hanohana ireo tafavoaka velona, ​​hanabe ny vondrom-piarahamonina, ary hisolo vava ny hery fanovana. Andao hamorona toerana azo antoka izay hahatsapan'ny rehetra fa misy mihaino sy voaaro izy.💬 Zarao ny tantaranao. 📚 Ampianaro ny tenanao sy ny hafa. 🤝 Tohano ireo miaina sedra mafy ao an-tokantrano.Afaka mitondra fiovana isika miaraka. Andao atao hoe TSIA ny herisetra an-tokantrano. #enddomesticviolence#SupportSurvivors#NoMoreSilence#nomore... See MoreSee Less
Rehefa ao anaty efitrano misy olona enina ianao dia eritrereto izao:Saika vehivavy 1 amin'ny 2 ary lehilahy 2 amin'ny 5 no miaina herisetra avy amin'ny olo-tiany nandritra ny androm-piainany.Manodidina ny 19% amin'ny zatovo no miaina herisetra ara-nofo na ara-batana, ary eo amin'ny antsasany eo ho eo no miatrika fanakorontanana na sotasota, ary hatramin'ny 65% ​​no mitatitra fa nampijaliana ara-tsaina. Maherin'ny 1 amin'ny vehivavy 4 no voaolana nandritra ny androm-piainany. ... See MoreSee Less
39% ny zazavavy malagasy dia manambady alohan'ny faha 18 taonany. Matetika ny ankizivavy hampanambadiana mbola kely dia voatery miala amin’ny fianarana hany ka manjary voafetra ny fahafahany sy ny hoaviny. Misedra olana ara-pahasalamana noho ny firaisana aloha ara-nofo aloha loatra izy ireo miampy ny herisetra an-tokantrano.Ndao zaraina ity lahatsoratra ity ! Ndao tohanana fikambanana miasa amin'ny fampitsaharana ny fanambadian'ny ankizy eto Madagasikara. Ndao amporisihina ny tompon'andraikitra rehetra eo an-toerana hampihatra ny lalà na miady amin'ny fakana vady ankizy tsy ampy taona.Ndao hamorona ho avy mamiratra ho an’ny zanak’i Madagasikara isika 💪✨#EndChildMarriage #ProtectOurGirls #Madagascar #EducationForAll #nomore... See MoreSee Less
Rebecca Cheptegei, mpihazakazaka avy any Ouganda, dia nisarika ny sain'izao tontolo izao tamin'ny zava-bitany niavaka tamin'ny hazakazaka lavitra hezaka tamin'ny Lalao Olimpika Paris 2024. Ny fanoloran-tenany, ny faharetany tamin’ny fanazaran-tena ary ny herim-po nasehony dia nanentana ny maro manerana an’izao tontolo izao. Niivadika anefa ny fiainany andro vitsivitsy lasa izay rehefa nodorana avy norarahana lasantsy. May 80% ny vatany ary tsy tana ny ainy na dia notsaboina teny amin’ny hopitaly nandrindra ny 5 andro. Ny sakaizany teo aloha no ahiana nanao izao. Ny tantaran'i Rebecca dia fampahatsiahivana tanteraka ny olana miely patrana amin'ny herisetra avy amin'ny olona akaiky. Io karazana herisetra io dia misy fiantraikany amin'ny olona an-tapitrisany eran-tany, na firy na firy ny taonany, na lahy na vavy, tsy misafidy saranga ara-tsosialy. Fanitsakitsahana ny zon'olombelona izany ary misy vokany lehibe eo amin'ny tsirairay, ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina.Ndao tsy hatao mody tsy hita ny herisetra mianjady amin'ny mpiara-belona amintsika. ... See MoreSee Less
No comments.